Tokantrano maro no potika sy rava
Noho ireto olona tia misavasava
Miditra amy zavatra tsy tokony idirana
Fiainan’olona any no ataony manahirana
Tsy ny azy no atrehany amboarina ho tsara
Fa maika ny hanenjika sy hitsaratsara
Nefa izay lazainy tsy voatery ho marina
Izay tena zava-misy tsy ezahiny fantarina
Misy ireo sendra tranga eny an-dalana
Makamaka sary tsy nahazoana alalana
Dia mailaka mizara any anaty fesiboky
Dia iny fa manaraka daholo ireo boloky
Samy manambara zay tonga ao an-dohany
Miraraka avy hatrany ny fanamelohany
Tsisy fanajana ny zon’ny voampanga
Fa avy dia ny sazy no tiany harangaranga
Maro ny efa matin’ny daroka sy vono
Misy afa-baraka amin’ny resaka honohono
Potika tanteraka ny hoavy manontolo
Izao rehetra izao manenjika daholo
Tsisy azo atao fa dia miharitra ny ngidiny
Rehefa ny vahoaka no manao ny safidiny
Aza voany ihany fa dia tsy tafavoaka
Henjana ilay tratran’ny fitsaram-bahoaka
Rasamy