Ny ahy ny Noely
Dia tiako ho hafa kely
Vavaka ao am-po
Amin’Ilay Tsitoha
Misaotra Azy mangina
Noho ny fahasoavana sy ny fitahiana
Izaho tsy voatery ho any am-piangonana
Na hamonjy fety an-trano filanonana
Fa toerana milamina sy mampitony saina
Sady tsara rivotra makamaka aina
Feom-boronkely no henoko maraina
Eto an-davarangana aho no misaotra Anao ry Ray
Noho ny fitahiana nomenao hatrizay
Mivavaka aho Jesoa ô ho an’ireo mahantra
Ampio ireo kamboty tsy mba misy mihantra
Tsaboy ireo marary anaty hopitaly
Ampaherezo koa ireo olona mijaly
Ka ity Noely ity mba hitondra fifaliana
Ho an’ny tsirairay sy ny fianakaviana
Izany re ry Tompo no vavako mangina
Rasamy