Faly ery ny fo fa niova indray ny taona
Miramiran’endrika fa mbola tafahaona
Izao no teny soa sy teny firariana
Hitobaka hatrany anie ny fitahiana
Na ho anao izany na ny ankohonanao
Ho taom-pahombiazana ny taona vaovao
Raha nisy ny tsy nety tamin’ny taona lasa
Na tamin’ny fianarana na ny arak’asa
Raha nisy tsy tomombana tamin’izay natao
Fombany ihany izany fa ny loha no hatrakao
Mahaiza aloha mifaly fa mbola velon’aina
Hanefa izay tsy vita sy mbola hokasaina
Maro aza anie no naniry ho toa antsika
Saingy tsy afa-niala fa lasana niampita
Nandeha nialoha lalana lasa nodimandry
F’isika ireto kosa mbola asainy miandry
Koa araraoty ary ny fotoana izay mandalo
Ndeha hifankatia fa tsy ho mpifahavalo
Rasamy