Eny hoy aho ramalagasy
Izato ianao mangasihasy
Manoloana ireto harena
Tena maro sesehena
Ô indrisy mahonena
Fa tsy misitraka akory
Mainka aza ianao toa ory
Miaina anaty fahantrana
Vizana sy mihanahana
Isan’andro vaky izao
Dia misy harena lovanao
Miondrana mankany ampita
Saingy any dia tsy hita
Lasan’ny mpanararaotra
F’ianao mangina tsy mitroatra
Satria mangina volamena
Dia tia manetrinetry tena
Ambakainy an-kafetsena
Rahoviana ianao vao ho taitra
Fa na mangidy sy mafaitra
No iainanao mandavan-taona
Dia io ianao manaiky foana
Toa tsy tanana handrangotra
Toa tsy tongotra hitsipaka
Ny harenanao anefa ripaka
Ianao indray no miova lasy
Izay ianao ramalagasy
Rasamy