Na sarotra aza re ny fiainana
Na misy koa fitaintainana
Dia mila miabo ny fisainana
Ialàna amin’ny fahalainana
Satria na ho aiza ianao na ho aiza
Dia tsarovy ry sakaiza
Fa hisy foana ny tsy ampy
Ny saina miabo no manampy
Raha sendra ny fahakiviana
Noho ireo tsy fahampiana
Manàna saina miabo anio
Izay misy aloha dia ifalio
Mbola misy trano ipetrahana
Mbola misy namana iresahana
Ianao mbola tsy maty noana
Aleo misaina miabo foana
Rasamy