Raha toa ianao ka mbola misy Dada antsoina
Kanefa tsy jerena, na miteny aza tsy henoina
Tsarovy f’indray andro hitsahatra ny fony
Hanenina ianao f’izy tsy miteny intsony
Raha toa ianao mbola afaka miantsoantso Neny
Aza manampin-tsofina f’henoy izy miteny
Sambatra aza ianao mbola afaka miangoty
Alaivo sary an-tsaina anie ny fiainan’ny kamboty
Raha sady velon-dRay ianao no mbola velon-dReny
Dia sambatra indrindra, tsarovy ombieny ombieny
Misy olona any ho any mitsiriritra anao mangina
Satria tsisy eo intsony Dada sy Neny tiana
Rasamy