Tsy misy manana ny ampy
fa sambatra izay mifanampy
Tsy misy koa ny tonga lafatra
f’izay zavatra hay s’izay takatra
no ezahina zarazaraina
fa sady mampifaly ny saina
no mety hanavotra aina
Fa aiza ianao io na ho aiza
dia tsarovy re ry sakaiza
fa tsisy ny mahavita tena
koa raha misy ny azo omena
dia zarao am-po tsy terena
tsy iandrasana valim-babena
na Tambazana vola sy harena
Rasamy