Ny poeta

Ny poeta

Ny poeta akory, tsy hoe tonga lafatra 
raha toa mananatranatra sy tia manafatrafatra
amin’izato asa sorany,
fa tokana ihany ny tanjona izorany. 
Mizara tsy ankiato ny voasoratry ny tanana
izay mibosesika tsy hainy nosakanana 
Satria aingam-panahy tongatonga hoazy
vokatry ny hafaliana na koa ny vazivazy 
na noho ny alahelo mahavaky fo
na mety zavatra hafa mahalasa saina koa 
na vokatry ny fo midobodoboka fitia
Izany no raketiny ao anaty poezia 

Ny  poeta akory, tsy hoe anjely
Tsy misora-tena ho izany velively
Fa na inona na inona soratan’ny poeta
dia ao anatiny ao misy hetaheta
tsy tiany hofihinina fa tiany hozaraina 
soratra mirindra mety hahatonga saina. 
Io koa no endrika ampisehoany ny talentany
sady hanehoany ny fiaraha-mientany
amin’ireo tratry ny tsindry hazolena
na ireo lavon’ny karazam-pahalemena 
na koa vizambizan’ny sento sy tomany 
Raketiny anaty poezia daholo izany

Rasamy

Laisser un commentaire