Vonjeo ny malagasy

Vonjeo ny malagasy

Ray ô, alahelo sy tomany 
no mandrakotra ny tany
Mihorohoro ny vahoaka
Be ireo tsy tafavoaka 
maty tampoka indrisy
Henjana ny zava-misy 
Tsy hita intsony izay atao
fa mamono tsotra izao
ity aretina ity
Vonjeo ry Rainay be fitia

Mangataka izahay ry Ray 
Omeo mpitondra mba mahay 
olon-kendry azo anarina
sady tia manao ny marina 
Ny vahoakanao jereo
Mitalaho sy mitoreo
Ny tolokony henoy
Ireo marary mba tsaboy
Aza avela hangasihasy  
Vonjeo re ny malagasy

Rasamy

Laisser un commentaire