Toa tsy hitahita akory
dia tsy olona matory
no hitanao fa maty
Maty tena maty
tampotampoka eo
nefa anie ka olona salama izy anikeo
Tsy ampoizina mihitsy
fa tena tsy mitsitsy
ilay Corona mamono
Tsy anganoangano na mbola honohono
Dia lasa teo ny saiko
Mety ho faty koa ny aiko
Ho avy koa ny anjarako
Ho vita ny tantarako
Tsisy fampiomanana
na fifandraisan-tanana
fa poa toy izay
dia ho mandrakizay
Alevina androany
Ireo sisa velona torovan’ny tomany
Izay ilay fahafatesana
Tsisy fandrefesana
mba azonao atao
Tsy afaka hiteny hoe izaho tsy te handao
fa rehefa tonga ny antsony
maneno ny kipantsony
dia iny ianao no lasa
Na inona tsy vita na inona kinasa
Izany rehetra izany tokony hahatonga saina
MITANDREMA RE FA TOKANA NY AINA
Rasamy