Mbola hihaona

Mbola hihaona

Andriamanitra ô, 
Vahotra ny lelako, mangovitra ny vavako
Tena malahelo sy manjombona ny tavako
Noho ny fahoriana manjo ireto havako
Koa indro re henoy izato tonom-bavako

Andriamanitra ô, 
Mangidy ny mahazo ny fianakaviana
Misesisesy loatra mantsy ny fitomaniana 
Te hikiaka mafy aho nefa aleoko indray mangina
Satria avy Aminao ihany koa ny fahoriana 

Andriamanitra ô, 
Tsy afaka manoatra fa tsy maintsy mankato 
F’izao no anjara lahatra avy Aminao Tsitoha
Omeo fitoniana hahay hampionona ny fo
Ampio hahay hitraka sy hijoro ihany koa

Andriamanitra ô, 
Jereo  ireo kamboty izay nilaozan-drainy
Ianao mahalala izay mahasoa ilainy
Ampaherezo re mba hatanjaka ny sainy
Ho to sy lavorary izay rehetra mba kasainy

Andriamanitra ô, 
Izahay moa olombelona tsy maintsy mitomany 
Mafy foana mantsy ilay misaraka eto an-tany
Manantena anefa fa mbola hihaona ihany
HIfankahita indray any an-danitra any

Rasamy

Laisser un commentaire