Miady an-trano

Miady an-trano

Oadray re ry lala ‘ty manjo antsika 
Toa viravirain’ny mpanao politika
Dia mifandramatra sy miady an-trano
Ilay Firenena no idiran’angano

Mitovy amin’ny foza ao anaty sobika
Mifamingampingana tsisy tafita
Mifampisintona hidina ambany
Dia Gasikara mandady amin’ny tany

Rasamy

Laisser un commentaire