Mamely tsy mitsitsy re izato corona
Tsy misy afa-bela fa na vavy na ny lahy
dia tsy maintsy miaro tena
Ka raha ho any an-tsena
Na mamonjy fivoriana
Na mandeha miangona mangatam-pitahiana
Na any anaty fiara sy eny an-dalana aza
Tsy maintsy isalorana izao ny saron-tava
Tsy vitan’ny misalotra ilay aro vava sy orona
Fa sady koa matahotra hitangorongorona
Vita hatreo ny molotra feno lokomena
Ilay tarehy bikàna moa tsy afaka jerena
Ny maso sy ny andrina sisa no mba hita
Ny sofina mararin’izato elastika
Tsy fantatra intsony ilay bandy maimbo vava
Ikala bangaridana mitsikitsiky lava
Tsy vitsy koa ny olona no niova ho mpanjaitra
Nivadika ho lamaody manko ny aro vava raitra
Mahagaga anefa fa dia maro ny vahoaka
Tsy miaro vava sy orona fa lasa miaro saoka
Rasamy