Tsy haiko

Tsy haiko

Raha ny zavatra efa haiko
no handeha hotanisaiko
dia mino aho sy matoky
f’efa hahavitako boky

Fa raha ny zavatra tsy haiko
sy tsy takatry ny saiko
no handeha hotanisaina … 
dia tranom-boky no ilaina

Rasamy

Laisser un commentaire