Moa ve fahotana sa fahasalamana
ny etotra tsy tana?
N’iza n’iza mantsy, n’aiza n’aiza koa
Na mizipo ianao, na mipataloha
Dia ho avy ny fotoana
hangetongeto-poana
Tsy fanahy iniana fa lasalasa hoazy
Etotra tsy tana fa tsy hoe vazivazy
Fa misy karazany ny etotra tsy tana
Ao ny misy fofona manenika tanàna
Ny sasany mangetotra maneno mafy be
Dia ao ny tsisy feo fa mitsifotra tsy re
Misy koa mahagaga fa hainy tsara mihitsy
Ilay mangeto-dava tsy ankitsitsitsitsy
Tsy henatra tsy tahotra f’ataony tsotra izao
Rivotra masiso no avelany ho anao
Dia misy ireo mangetotra mody tsy miteny
Ny fofona avoakany mandoto rivotra eny
Dia mody tsy miraika, sady mody fanina
Tezitra ny sasany tsy mahahinan-kanina
Fa ny mahagaga dia ny mpifakatia
Rehefa te hangetotra dia « azafady akia »
Kinanjo aty aoriana rehefa indreo nivady
Dia ny resak’etotra no lasa fototr’ady
Fa misy ihany koa ireo olona mijaly
Tratry ny aretina any anaty hopitaly
Andrasana ilay etotra hivoaka amin’izay
Indrisy tsisy intsony f’efa simba ilay tsinay
Hamaranako azy dia efa fantatsika
Ny fomba amam-panaon’ny mpanao politika
Tsisy mba tanteraka izay ampanantenainy
Fa dia « resak’etotra » no zavatra lazainy
Rasamy