Ô indrisy, ô indrisy,
fahatsiarovana no sisa
rehefa injay mba mitanisa
an’ireto voromby
an’ny Madagasikara
Vita hatreo ny tantara
f’ilay lazaina ho tara lava
dia indro potika sy rava
tena vizana sy reraka
Eny fongana tanteraka
Izao no vokatry ny tolona
sy grevy ataon’ny olona
Eny indrisy mahonena
fa nopotehina nohosena
ilay fananam-pirenena
Tsisy Air Madagascar intsony
Hoy ireo olona ambony
Fa novainy nosoloiny
Mainka hiharatsy sa hihatsara?
Ny tantara no hitsara
Rasamy