Hafatr’i Dada

Aza menatra mijoro amin’ny maha ianao anao
Aza tia manilikilika manao ankilabao
Aza manaiky atao fitaovana hanimba indray ny hafa
Aza miandrandra fanampiana vao mba hanana sy tafa

Aza miahotra mitory ny fitiavana ao anaty
Aza maika atao ho antitra maniry ny ho faty 
Aza miandry hanan-karena vao hahatsiaro fahasambarana 
Aza mandany fahatany izay mba vokam-pisasarana

Aza mialona mahita ny fandrosoan’ny namana 
Aza atakalo vola ny tsikalam-pihavanana
Aza malaina na manenina amin’ny fanaovan-tsoa
Ary aza mba mitsahatra mivavaka ihany koa 

Rasamy

Laisser un commentaire