Ho an’ialahy ry zanako
lahitokan’ny aiko,
raha mbola hain’ny tanako
sy takatry ny saiko,
dia ataoko ho an’ialahy,
f’aza mba manahy
Ny tena faniriako
dia ho tafita ialahy,
mainka ho tena tiako
raha hatsaram-panahy,
sy fo mora tony
no ataon’ialahy ambony
Izaho hatoky foana
f’ialahy vonona sy sahy,
tsy ho olonolom-poana
fa tena ho lehilahy,
miavaka amin’ny sainy
Tsy adala toa an-drainy
Rasamy