Tsy misy miala maina raha mbola eto an-tany
Ny ratsy atao anio tsy maintsy mbola hivaly ihany
Na tsy hivaly vetivety aza fa any aoriana any
Ny adala ihany sisa no tsy mety mino izany
Izay nanenjika ny hafa tamin’ny lainga tsara lahatra
Mbola hizaka fanenjehana mitohy tsy ankitsahatra
Ny olona mpandainga dia ho voafatotry ny vavany
Mbola ho avy ny andro ka hanjombona ny tavany
Ny olona mpamadika dia hisy hamadika ihany koa
Koa raha mbola azo atao dia aleo mifanasoa
Tsy voatery ho tonga lafatra, tsisy olona anjely
Fa asiana fetra ny hadalana dia fadiana ny ankamely
Rasamy