Ilaina ny tsikera
anaty serasera
feno fanajana,
manaraka lalàna
Tsikera mampandroso
mitondra vahaolana,
fa tsy mampikororoso
mampitombo ny olana
Fa raha hitsikera ihany
aleo mba manontany
sy miezaka mamantatra
izay tokony ho fantatra
Mba tsy hiteniteny foana
sy hamafy lainga,
hanimba sy hanafoana
ny tsara efa miainga
Rasamy