Izahay fony ankizy dia niara-nilalao
Ny raharaha an-trano niarahana nanao
Mba niadiady kely nifampila kisa koa
Fa tsy nifankafoy satria mpiray tampo
Nitombo avy eo ny taona nandalo hatanorana
Niara-nifanjevo tamy bandy ao an-tanàna
Niarahana nandeha na sekoly na fiangonana
Ny akanjo sy kiraro aza nisy niombonana
Nony aty aoriana moa dia samy nanambady
Dia samy toa variana miasa sy mitady
Fa rehefa tafahaona dia faly sy korana
Sakafo be io foana no iraisana mazàna
Iriko hitohy hatrany ny fifankatiavanay
Ho mpirahalahy mifankatia mandrakizay
Tsy ho toy ny sasany tsy mifandevi-maty
Fa miady an-trano noho ny lonilony anaty
Rasamy