Maina ny tany

Maina ny tany

Indrisy re indrisy fa maina izao ny tany
Kivy ny mpamboly mila hitomany
Mijaly sy marary ny zava-manan’aina
Ny biby sy olombelona samy mitaraina
Satria dia tsisy rano
Na ny eny antsaha, indrindra ny ao an-trano
Miziriziry mafy tsy  milatsaka ny orana
Miteraka aretina mampangorangorana
Mafana loatra ny andro
Mila tsy ho zaka ny herin’ny masoandro
Fa toy ny afobe mamono sy mandoro
Mampanahy ny hoavy, mampihorohoro

Aiza no aleha, inona no atao? 
Isika ihany mantsy no nahatonga izao
Tapahina, potehina, aripaka ny ala
Mandrora mitsilany toy ny olona adala
Mandoro tsy ankijanona ny any ambanivolo
F’isika ihany koa tompon’antoka daholo 
Iarivo tsy mitsahatra mitady saribao
Ny ankamaroan’ny fiara tsy misy kalitao
Ny fako misavovona hatrany Andralanitra 
Ny setroka manempotra manakatra ny lanitra 
Mitatao ny loza, tena tsy mampino
Hifindra aty Iarivo ny kere any Atsimo 

Rasamy

Laisser un commentaire