Tsy aleo ve mampahery
raha mbola misy ny hery,
sy saina ary fananana
mba hanampiana namana?
Tsy aleo ve mampitraka
fa tsy mainka koa mandaka
ireo olona efa voa
sy mila hamoy fo?
Tsy aleo ve mba mizara
izay zavatra mba tsara,
fa tsy ny ratsy foana
no hita mandavan-taona?
Tsy aleo ve mba jerena
amin’izay ilay firenena
fa tsy ny kibo no mihangeza
vao mahazo seza?
Dia asakasakao
fa raha izao zava-misy izao
dia ho gisitra any afara
foana i Madagasikara
Rasamy