Na inona ambara na inona lazaina
Efa ny maro an’isa izao no mitaraina
Mafy ny manjo, feno ny kapoaka
Tsy rariny intsony ny manjo ny vahoaka
Miharitra ny mafy ny isan-tokantrano
Tapaka ny jiro, tsisy koa ny rano
Ny jirama tsy misy, ny vovo efa ritra
Tsy hita izay atao fa dia mipitrapitra
Ny atoandro miasa sy mamonjy fianarana
Ny alina indray dia mitohy ny filaharana
« Bidon » mavomavo no mameno ny tanàna
Zara raha matory ka vizana sy hana
Rahoviana re no hivaha ny fahoriana?
Tofoka ny maro mizaka fijaliana
Mbola misy ve ny fanantenana?
Mijaly toy izao ve ny mpitondra fanjakana?
Rasamy