Kanosa

 

Any mantsy ianao ry Madagasikarako
Ilay tany nihaviako nilatsahan’ny tavoniko
Izaho aty andafy no hanohy ny tantarako 
Nandositra aho mantsy fa aleo dia tsoriko 

Marary be ny saiko, ny fo indrindra koa
Mahita anao ambany tsy mety ho tafarina
Izay vaovao jereko toa ratsy avokoa 
Ny vahoaka anaty fahantrana lalina

Nahoana no toy izao re ianao ry Nosinay
Malahelo mafy aho ary koa mangasihasy
Tsy toy ny aty ampita mandroso fehizay
Fa dia tena resy ny vahoaka malagasy 

Satriko anie hitoetra miaraka aminao
Kanefa vao mahita ireto olana miavosa
Dia aleoko ihany mijanona amin’izao 
Mifona aho re ry taniko fa olona kanosa

Rasamy

Laisser un commentaire