Sipa manjakely

Sipa manjakely

 

Manja tena manja iny sipakely iny
Miendrika anjely mbola virijiny
Jereo izato ranjony
Kanto ery ny akanjony
Fatratra ny bikany
Izaho isaky ny hitany
dia saikatra ny vavako
mena be ny tavako
Te hibitsika aminy izato fitiavako

Kanefa moa indrisy 
Ny vola moa tsy misy
fa foana izato paosy 
sady tsy bogosy 
Ny hany azo atao dia mijery fotsiny ihany 
Tsy sahy na dia fotsiny hoe hananihany
Raha toa koa io manaiky tsy ho mafy ny hahazo?
Io ve vonona hihinana mangahazo?

Aleoko ihany mionona amin’i Kala Pakerety
Iny mba manaiky entina an-tsarety
Vonona hihafy amin’ny voanjo sy sosety
Ny trano ipetrahana na bongo aza dia mety
Izany tokoa ny lahatra sy anjara 
Izy no sahaza dia atao tsara karakara 
Miaraka mitolona miatrika ny fiainana 
Tsy sipa manjakely no hanimbana ny fisainana 

Rediredin-dRasamy

Laisser un commentaire