Ho sitrana ianao

Ho sitrana ianao

Tsaroako tokoa
fa mafy ny manjo
ireo olona marary anaty hopitaly
Mitaraina mafy, mikiaka fa mijaly 
Tsy afaka miarina fa mandry am-pandriana 
Tsy afaka manoatra dia mivavaka mangina
Mivavaka ao am-pony sy ao an-tsainy ao
« Andriamanitra ô, vonjeo raha sitrakao 
Sitrano re ny aretiko
Akombony re ny feriko
Avereno re ny heriko » 

Raha toa ka toy izany
ianao re androany 
dia indro ampahereziko, aza mitomany 
Ny vavakao anie ho henon-Janahary
Ho sitrana tokoa ny vatanao marary 
Hikombona ny fery
Hiverina ny hery
Manàna herin-tsaina, aza mamoy fo
Ny herim-panafody mila tanjan-tsaina koa
Na ny dokotera aza mila fanampiana 
Fanampianao azy ilay vavakao mangina

Rasamy

Laisser un commentaire