Ry Dadabe Noely ô,
Raha ho avy ihany ianao
Miangavy re… raha mbola azo atao
Mba itondray rano e
ny isan-tokantrano
fa dia mijaly loatra
Mila tsy ho zaka fa tena tafahoatra
izato toetr’andro sy ny zava-misy
Alaivo sary an-tsaina anie ilay rano tsisy e
Na ny olon-tsotra, na ny mpandraharaha
Tsy lazaina intsony ny momba ny tantsaha
Kivy noho ‘ty olan-drano toa tsy mety hivaha
Ry Dadabe Noely ô,
Raha toa ka sitrakao
Ajanony kely aloha irony kilalao
fa rano hosotroina sy ambolena vary
no ataovy misimisy tsy ho tonga ny mosary
Raha toa moa sanatria tsisy azonao atao
dia ny mpitondra anay re no mba ilazao e
Jereo malakilaky hoe f’aza dia variana
Eritrereto tsara hoe ny fomba fandaniana
Vonjeonareo haingana ny seham-pamokarana
Ny rano hono hoe atao kitro ifaharana
Fa tsy ny rendrarendra indray no lasa lohalaharana
Rasamy