Endrey izany hafaliana, fa vaovao ny taona
Feno fitsikiana fa mbola tafahoana
Samy velon’aina, tsy nody ho vovon-tany
Tratry ny marainan’ny taom-baovao androany
Dia mirary soa e, ho taona feno mamy
Tsy hisy loza hanjo, fa ho fifaliana hatrany
Ho ambinina, ho salama, ho tojo izay irina
Ho lavim-pahantrana, fa tena ho taona zina
Raha nisy ny tsy nety, raha nisy koa tomany
Mifalia fa fety e, ny lasa aoka hivalona any
Ny hoavy no banjino, ny fo sy saina amboary
Dia aza manadino ny misaotra ilay Nahary
Rasamy