Hafahafa mihitsy raha i Madagasikara
Be toeram-paradisa malaza tena tsara
Vitsy mbola vitsy anefa ny mpizaha tany
Ny gasy koa indrisy tsisy vola amin’izany
Voahodidin-dranomasina feno hazan-drano
Fa tsy milaoka trondro ny isan-tokantrano
Ny harena moa miavosa ao ambany tany
Kanefa ny vahoaka mahantra foana ihany
Ny trano fiangonana hipoka etsy sy eroa
Ny ankamaroan’ny gasy mpivavaka avokoa
Kanefa mahagaga fa mainka koa sahirana
Ny fiainam-pirenena tsisy mba mangirana
Ny fiara lafo vidy toa mameno ny tanàna
Ny tranobe sy raitra koa mitombo higagàna
Kanefa dia mijaly ny vahoaka maro an’isa
Ity Gasikara ‘ty ve Afobe sa Paradisa e?
Rasamy