Misy ny androm-pitsikiana
toy ny tsingerin-taona,
dia misy ny androm-pahoriana,
malahelo sy misaona
Misy ny androm-pifaliana
sambatsambatra aok’izany,
fa misy andro itomaniana
noho ny hetraketraky ny tany
Misy ny andro maharavo
rehefa anaty fahombiazana,
fa misy andro koa mba lavo,
fahakiviana indray no tazana
Misy fotoana tena maina
tsy mety latsaka ny orana,
fa ho avy ny andro hitaintaina
ny rano be indray no atahorana
Izay ilay fiainana an-tany
samia mizaka ny anjarany,
fa ny tsiky sy tomany
no mifandimby tsisy farany
Rasamy