Rivodoza

Rivodoza

Io indray ilay rivodoza
fa mitera-doza
ho an’ny firenena
Tena mahonena
fa simba izay jerena
Potika tanteraka ihany koa ny toe-karena
Ny rivotra mifofo, ny oram-be miraraka
Ravany ny trano, ny tafo moa manaraka 
Mitondra ny takatra ireo fotodrafitrasa 
Mihidy ny sekoly, mijanona ny asa 

Izay ilay rivodoza voajanahary 
Tsisy azo atao f’izay voany dia marary 
Fa misy ihany koa « rivodoza » anankiray 
Tena mampahantra ary koa  mampikolay
Ataony midaraboka izay te hanao ny marina
Ny harem-pirenena aondrany angalarina 
Aripany avokoa ny volam-panjakana 
Tsisy dikany aminy ny didy aman-dalàna 
Tsy mahatohitra azy ny manam-pahefana
Nefa anie dia « rivodoza » afaka resena e
Io ilay kolikoly mambotry firenena 

Andriamanitra ô, asa re mba Rahoviana 
ity Gasikara ty vao ho afa-pijaliana
Sady asian’ny rivodoza voajanahary 
no anjakan’ny kolikoly ka tsisy raha manjary

Rasamy

Laisser un commentaire