Tena ginagina ny vahoaka manontolo
Na tambonivohitra na tambanivolo
Misafosafo loha dia mila tsy hahateny
Mahita ireto loza manjo ny fireneny
Vao lasa ny haitany dia tonga indray ny loza
Valala, tondra-drano ary koa ny rivodoza
Ny fahoriam-bahoaka efa tsy lazaina intsony
Variana miady an-trano nefa ny olona ambony
Isan’andro izao eny anaty fesiboky
Tantara mahagaga toy ny mamaky boky
Miseho daholo ny henatra sy ny hadalana
Toa feno kolikoly koa anaty fanjakana
Mahalasa saina ny zavatra mitranga
Mihalalina ihany ny tsy fitovin-tsaranga
Vizana etsy andaniny ny vahoaka efa kola
Ny sasany etsy ankilany hono milalao vola
Ho aiza isika ity, ahoana no hiafarana e?
Moa marina ve ireny ry manam-pahefana ô?
Ny hasarotam-piainana efa mila tsy ho zaka
I Gasikara simba sady tena afa-baraka e
Rasamy