Nahoana moa isika no tsy maintsy mihinam-bary
Rehefa tsisy vary dia milaza fa mosary
Sakafo maro anefa no nomen’Ilay Nahary
Famboly an-tanety ka hatreny an-tanimbary
Toa miankina amy vary ny fiainam-pirenena
Miteraka krizy raha vao tsisy eny an-tsena
Ny voka-bary anefa tsy mitombo fa mihena
Manafatra eny foana fa tsy mahavita tena
Vao mainka koa moa loza izao ny zava-misy
Ny vary atao fitaovana politika indrisy
Ny vary tsinjo izao no hanambazana vahoaka
Fa ny vidim-bary lafo foana ny kapoaka
Ô ramalagasy, ndeha hanova ny fisainana
Ny fiovan’ny toetr’andro koa manova ny fiainana
Ny foto-tsakafontsika moa nahoana raha ovaina e
Fa tsy vary foana, atoandro, hariva sy maraina
Rasamy