Mba fantatrao va re, f’io fasana io ange
feno olona natanjaka hatry ny elabe
Nihevitra ny tenany tsy ho faty izany
Nefa izao indrisy mandry ambany tany
Nisinisy ihany ireo nanampatra ny heriny
Nanery ny olon-kafa hanaraka ny jeriny
Maro tam’ireo no tia nanjakazaka
Nisy aza moa, namono fa mpanjaka
Nefa aiza ankehitriny?
Indrisy fa tantara sisa ny fahiny
Ny vatany efa vovoka, ny taolana tavela
Maimbo sy masiso tsy mba niandry ela
Moa nitondra vola sa nitondra harena
Moa va mbola ambozony irony volamena
Aiza izao ilay bika sy hatsaran-tarehy
Ny zava-nimatesana moa nisy mba voafehy?
Endrey faty sisa, razana matory
Na voahitsaka aza tsy mihontsona akory
Na hitenenan-dratsy dia tsy afaka miteny
Dia inona tavela tamin’izy ireny?
Izany indrindra mantsy no tokony hampisaina
Fa misy fetrany ihany isika velon’aina
Tsy misy hateza izany fa ho lasana avokoa
Samy mbola ho faty, samy mbola ho lo
Rasamy