Misy olona any ho any tena kivy savolaina
Na ny endrika aza lasa antitra sy maina
Rakofan’ny ahiahy sy vesaran’adin-tsaina
Miandry manantena hoe hisava ny maraina
Izany ny eto an-tany fa tsarovy sombinaina
Misy olona mijaly, kivy sy miferinaina
Raha tsy toy izany ianao fa mba misy izay ilaina
Tsara foana ny manampy ireo izay kely vovok’aina
Rasamy