Maizina

Maizina

Hanao ahoana ihany
ny mety ho fiafaran’
ity fiainan’ny vahoaka
Satria aleo dia tsorina fa tsy tafavoaka
Krizy mihalalina no iainana etoana
Tena mbola lavitra izany fandrosoana
Mainka mihamilentika izato fahantrana 
Maizina ny hoavy tsisy taram-pahazavana

Ny vidim-piainana io tsy takona afenina
Na ny mpanohana aza zary toa manenina
Nanantena mafy tamin’ny resa-belirano
Kinanjo mihasahirana ny isan-tokantrano
Miakatra ny menaka, lafo koa ny vary
Ny vidim-panafody mainka mankarary 
Ny entana eny an-tsena midangana daholo
Maizina ny fiainan’ny isam-batan’olo

Ny vola nefa tsisy fa sarotra tadiavina 
Ny firenena gisitra tena tsy azo lavina 
Ny halatra sy vono mila ho isan’andro 
Tsisy fitoniana ny alina sy atoandro 
Ny hetra sy ny jiro ary rano ihany koa
Mitombo aok’izany ny vola izay aloa
Mitokona ny mpiasa tsy misy fitsaharana 
Maizina ny hoavin’ny seham-pampianarana

Ny seham-pihariana tsy ampy fandaminana 
Ny resa-politika koa tsisy filaminana 
Variana mifanenjika sy mifampila vaniny
Ny sasany mangalatra mihinana izay laniny 
Manjaka n’aiza n’aiza ny fitiavan-tena
Mivoaka antsokosoko ny harem-pirenena  
Ny fako misavovona mameno ny tanàna  
Maizina izy izany re ry manam-pahefana ô!  

Rasamy

Laisser un commentaire