Asio fotoana mba hanginana,
dia misy koa mba hitenenana
Aleo miaina am-pilaminana,
mba tsy hisiam-panenenana
Asio fotoana tena hiasàna
dia asiana koa hakàna aina,
Aleo atao izay hahasalama,
sy mampifalifaly saina
Asio fotoana koa iarahana
hanehoana fiombonana,
amin’ny havana sy namana,
indrindra moa ny ankohonana
Ny ratsy mbola hisy foana,
ny fahasahiranana tsy ho tapitra,
f’asio hatrany koa fotoana
mahasoa sy mahafinaritra
Rasamy