Iza moa aho no tsy mba hanan’olana
Maro sakantsakana ny lalana diaviko
Misy foana sarotra lalovana isam-bolana
Fa ny hilavo levona kosa tena laviko
Toy ny olo-maro koa dia manana ahiahy
sy tahotra matetika miverina ao anaty
Manko ny ampitso toa zary mampanahy
Hanahoana ny hoavy, mandra-pahafaty
Kanefa raha mandinika ny manodidina aho
dia tokony hahatsiaro ho menatra ihany
satria dia misy olona mijaly mitalaho
Maivana ny olako raha oharina am’izany
Ny fahitako indrindra ny fijalian’ireny
olona mahantra sy mizaka izato ngidiny
no mahatonga ahy hilaza ombieny ombieny
fa tsy mbola izaho akory no tena farahidiny
Rasamy