Misy ny mivavaka amin’ny zavamananaina
Ny hazo sy ny biby no tiany hamasinina
Ireny no heveriny ho manavotra ny aina
Izay no finoany, tsy ataoko tsinontsinona
Misy ny mivavaka amin’ny razambeny
Tiany sy hajainy, ary koa henoiny
Manana ny fomba amam-panaony ireny
Izay no mahasambatra ny sainy sy ny fony
Misy ny mivavaka amin’ny sarisary vongana
Ao koa ny mino Zanahary an-danitra any
Mino sy matoky fa tsy very na ho fongana
Handova paradisa raha mandao itony tany
Misy mpino samihafa isaky ny firenena
Tsy mitovy foana ny Andriamanitra tompoina
Hajaina ny an’ny hafa, deraina ny an’ny tena
Tsy tokony ampiady ny resaka finoana
Rasamy