Mandeha tokoa ny fotoana
fa vetivety foana
dia feno dimapolo taona
Toa tadidiko etoana,
tsy adino fa tsaroana
irony androm-pahazazana
sy ny fahatanorana
Raikitra ho fahatsiarovana
ny fiainana izay nandalovana,
ny sarotra izay nodiavina,
sy olona izay notiavina,
ny ezaka izay nahatafita.
Misy koa izay tsy vita
kanefa tsisy hanenenana,
fa ny andro sisa dia hanarenana
izay mbola azo hatsaraina,
satria dia mbola velon’aina
Hiaraha-mahalala firifiry
ireo nikasa sy naniry
ho feno dimapolo koa,
f’ndrisy lasana nialoha.
Koa raisiko ho fitahiana
ankalazaiko am-pifaliana
izao andro anio izao.
Ray ô, misaotra Anao
Tena faly aho satria
velona miriaria,
mbola mijoro tsy marary.
Misaotra anao r’Ilay Mpahary
satria matoa aho toy izao,
dia noho ny Fahasoavanao.
Rasamy