Dada tia anao

Dada tia anao

Anaka, fantatrao tsara
fa sarotra ny fiainana eto Madagasikara
Toa tsy hita izay mangirana 
Mitombo hatrany ny isan’ny olona sahirana 
Kanefa  angamba anaka, tsapanao ihany
fa na eo aza izany ady sarotra izany
dia miezaka  i Dada, mikiry tsy ankijanona
hahatonga anao ho lasa olom-banona. 
Ny tena ato am-poko sy raikitra an-tsaiko
dia antom-pivelomako ianao ry sombinaiko.
Na inona na inona mafy ho zakaiko
sy olana mianjady dia tokana ny baiko :
Iny zanako iny tsy avelako hijaly
ny ampitson’izy iny ho tsara noho ny omaly

Tsikaritrao angamba f’izaho ombieny ombieny 
somary mangingina tsy ahitana teny
dia mipitrapitra ery izato ianao sy Neny.
Nefa dia tsarovy fa matoa nisy ireny
dia noho i dadanao tena miasa saina
saingy dia mangina tsy te hitaraina
Koa aza omena tsiny, 
f’ izaho ‘lay hitanao tsy miteny iny,
dia tsy sanatria akory
ianao no manahirana ka manorisory 
fa ny saiko mihitsy no efa lasalasa,
mitady sy mikasa 
ny tsara foana hatrany. 
Ka ny fifaliako raha mbola eto an-tany 
dia mahita anao sambatra sy tafita soa
Manko izany indrindra no irian’i Neny koa. 

Rasamy

Rasamy

Laisser un commentaire