Misy karazan’olona milamila vaniny
Izay atao rehetra toa tsisy mety aminy
Na inona na inona zavatra mitranga
dia ny miiba ihany no tiany harangaranga
Talenta tena hainy ilay mitsaratsara
Toetrany hatrizay ilay manitatra tantara
Izay tena zava-misy tsy tiany ho fantarina
Ny any an-dohany ihany no ataony zava-marina
Dia iny mitsatsaingoka etsy sy eroa
‘Ty zava-drehetra ity toa hainy avokoa
Androany izy mpitsara, rahampitso pasitera
Dia lasa injeniera, dia avy eo koa dokotera
Ny olona toy izany tsy maintsy misy foana
Aleo hodiana fanina tsy handaniam-potoana
Tsy ilaina ny mamaly sy miresaka aminy
F’efa izay mihitsy ry zareo mpila vaniny
Rasamy