Tia mifety 

Tia mifety 

Ny malagasy dia vahoaka tia mifalifaly
Na eo ny fahantrana efa tena mampijaly
Dia miravo sy mandihy ary mihira soamantsara 
Izay no mampiavaka an’i Madagasikara 

Na tapaka ny jiro, na tsisy koa ny rano
Tonga aloha ny fety dia mifaly ny isan-trano
Mivelatra ny tsaky, miakatra ny toaka 
Tia mirevirevy mihitsy ilay vahoaka

Fetsy noho izany ‘reo mpitondra fanjakana
Manko hainy mihitsy ‘lay revy eto an-tanàna
Ka n’inona tsy vita, na inona tsy mety
Babony avy hatrany ‘lay vahoaka tia mifety

Isaky ny mihetsika dia misy fety foana
Tsy andoavam-bola fa maimaim-poana
Dia faly ry Badoda, mibitaka ry Zety
« Merci Prezida » fa nahafinaritra ny fety!

Fa ny fiainanay rahampitso koa ataovy metimety

Rasamy

Laisser un commentaire