Tohatra fiakarana

Tohatra fiakarana

Rehefa tsy anaty fitondrana
izy ireo ry bandy akama,  
dia ny vavany malama,
mitsikera fanjakana 

Voatanisany daholo
ireo toetram-borondolon’
ny mpitondra manontolo
Tena mampitsangam-bolo

Fa raha vao azony ny seza 
ny takolany mihangeza, 
dia lasa miabo be ny sainy, 
miova mihitsy izay lazainy

Ny mainty ataony fotsifotsy
Ny feony koa mandrotsirotsy
Ny fiainany no nihatsara 
Dia adinony aby ny tantara 

F’ianao ry akama mba ahoana 
Moa mpanohana eny foana?  
F’angaha tsy dia nandia fianarana 
no ataony tohatra fiakarana? 

Rasamy

Laisser un commentaire