Rehefa maty ianao

Rehefa maty ianao

Rehefa maty ianao vao tsapany indray
Fa iny olona iny, ilay tsotra sy nahay
Iny ilay modely mendrika tahafina
Niavaka amy toetrany, hita fa tsy nihafina

Rehefa maty ianao vao omeny fanajana
Very  olomanga hono izao ny tanàna
Omeny dera ianao, ary ankalazainy
Ny soa vitanao no indro hirahirainy

Rehefa maty ianao dia namany nahatoky
Ataony lahatsoratra ao anaty fesiboky
Indraindrainy ianao fa olona niavaka
Saingy ianao indrisy efa any an-davaka 

Rasamy

Laisser un commentaire