F’angaha ianao raha hoe manam-pahefana
dia mihevi-tena foana ho ambonin’ny lalàna?
Tsisy afaka miteny, manao izay tiana atao
sy manery ny hafa hanao ny tsy fanao
F’angaha ianao raha hoe olona ambony
dia mino sy matoky fa tsy ho ambany intsony?
Ny tany anie ry lahy tandremo boribory
Mety hianjera ianao tsy hitahita akory
F’angaha ianao raha hoe efa mpanefoefo
dia manan-jo hanitsaka ny zon’ny marefo?
Ny fiainana hono anie ka kodiaran-tsarety
Io harenao io mety ho rava vetivety
Rasamy