Aza maikamaika

Aza maikamaika

Dada ô, mampalahelo ahy iretsy ankizikely
Feno azy ireo anie hatrany Analakely e
Malotoloto lamba sy rovi-pataloha
Rakotra azy ireo koa etsy Ampefiloha
Na eny Behoririka hatreny Ankorondrano
Toa mirenireny tsy anaty tokan-trano

Lasa be ny saiko fa dia nahoana loatra
Ny fiainan’izy ireo ve mety mba hivoatra? 
Raha tsy mianatra izy, ahoana ny hoaviny
Mangataka no ataony, izay manome tsy laviny
Mangalatra ihany koa, izay hitany harapany
Fa aiza hoy aho ry Dada, ny Neniny sy Papany?

Indrisy ô indrisy tokoa re sombinaiko
Lasa aiza re ny rainy, ny valiny tsy haiko 
Izaho koa lasa saina malahelo toa anao
Mahita ireto ankizy lasa mivangabao
Angamba tena adala ny reniny sy rainy
Niteratera-poana fa ny mitaiza tsy hainy

Nefa angamba koa ireto ankizy mihitsy 
No tsy azo notenenina, maditra tsy hay hahitsy
Kanefa koa re anaka fantatrao ihany 
Ilay fahantrana mihitsy no mahatonga izany 
Izy ireny mantsy te ho toa anao koa
Kanefa dia indrisy, tsy afa-manoatra moa

Ny hafatro dia izao, tandremo tsara anaka
Aza maikamaika hiteraka hanan-janaka
Aza maikamaika ny hanambady koa 
Fa ny hoavinao no omano tsara aloha
Dia mahaiza miaina amin’ny valin-kasasarana
Tsy hiaina amin’ny hataka sy ny fangalarana

Rasamy

Laisser un commentaire