Iaino ny anio

Iaino ny anio

Raha toa ianao rahampitso ka lasana mandao 
Tsy ho hitanao intsony ny tsara androany
Ianao anefa indrisy hatrizay ka hatrizao
Tsy mety afa-po amin’izay mitranga ihany

Moa toy izany foana ve ny fiainanao etoana
Mitady izay tsy hita sy ny rahona hisava 
Tsy nakàna tsirony mihitsy ny fotoana
Fa dia miandrandra ny ampitso lalandava 

Tsy aleo ve dieny anio dia miaina am-pifaliana  
Manko tsy hay akory izay mety ho andro sisa
Rehefa maty foana ve ianao vao irariana
Mba handry am-piadanana anaty paradisa

Rasamy

Laisser un commentaire