Fantaro sy zahao ny talenta anananao
Aza ampatoriana fa fohazy sy trandraho
N’iza n’iza mantsy dia manana an’izany
Hizara ny talenta no tanjona eto an-tany
Ny talenta dia fahaizana voa-janahary
Mety miafinafina tsy mba miharihary
F’azo ampitomboina ary mila ampiasaina
Tsy afenimpenina fa tokony ho zaraina
Ny olona tafita amin’ny fiainana diavina
Dia hiaraha-mahita ary tsy mba azo lavina
Fa nahay nitrandraka ny talenta hainy
Nampiasa izany tamy fony sy ny sainy
Io talenta io tsy zavakanto ihany ry havana
Maro ny karazam-panomezam-pahasoavana
Mety hanampy ny hafa sy hameloman-tena
Aza ampatoriana fa ilain’ny firenena
Rasamy